<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>P. Nilsen-Lund</author>
<lyrics>[V1]
 Andriananahary ô, endrey ny
 voninahitrao !
 Ny tany sy ny lanitra
 mamelatra ny lazanao,
 Ny asanao rehetra e,
 ny famonjena lehibe,
 Mitari-dàlana anay hidera ny
 Anaranao.

[V2]
 Ry Zanakondry masina,
 Jesosy Izay Isaoranay !
 He, Hianao niantra anay, ka
 nentinao ny otanay,
 Ny menarana resinao,
 ny fasana vinakinao,
 Ka Hianao nanokatra ny
 lanitra hidiranay.

[V3]
 O, ry Fanahy Masina,
 Izay mitarika anay
 Hanetry tena sy hanaiky fa
 mpanota izahay,
 Mitaona sy mananatra anay
 handray ny avotra,
 Ka manamasina anay, mba
 raiso ny fisaoranay.

[V4]
 Ny voavonjy mbamin'ny
 anjely mankasitraka,
 Ny tany sy ny lanitra
 mikambana hanandratra
 Anao, ry Ray sy Zanaka,
 Anao Fanahy Masina,
 Izay maneho famonjena
 feno fitiavana.</lyrics>
<title>Andriananahary o endrey FFPM194</title>
<hymn_number>194</hymn_number>
</song>